airtel

Sosialy

14-févr-2022

Sosialy

Antananarivo renivohitra Ahiana hiteraka aretina maro ny fako miaritaka

Sample post image

Miparitaka indray ny fako eto an-drenivohitra tato ho ato. Faritra maro no ahitana izany toy ny eny Ambodin’Isotry, Namontana….

14-févr-2022

 Ankoatra ny lalitra izay entiny dia anisan’ny tena mampitaraina ny maro ny fofona aterany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Zary lasa lo mantsy ireo voankazo sy legioma simba any anatin’ireny fako ireny ka tena mahery vaika tokoa ny fofona havoakany. Ahiana hiteraka aretina maro mihitsy izany. Ho an’ireo mponina eny amin’ireo faritra misy ireny fako mivangongo ireny mantsy dia nanambara izy ireo fa sady marary vavony noho ilay fofona no tratry ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery mahery ihany koa. Eo an-danin’izay anefa dia mbola mahazo vahana tanteraka eto amintsika koa ilay valan’aretina Covid 19 izay tsy hita firy intsony ny hanavahana azy amin’ny tazo mahery. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra mba handray ny andraikiny araka izany ny mponina. Rehefa mba madio tsy misy fako miparitaka mantsy eto an-drenivohitra dia mihena toraka izany ihany koa ny risika mety hampiparitaka na hahazoana ireo karazan’aretina maro samihafa.
Pati
Legende : Miteraka aretina maro ny fako lena mivangongo eran’ny arabe tahaka izao
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap