airtel

Sosialy

03-févr-2022

Sosialy

Antananarivo renivohitra Niakatra 30% ny hofantrano

Sample post image

Niakatra hatrany amin’ny 30% ny hofatrano eto an-drenivohitra nanomboka tamin’ity taona 2022 ity. Vao nigadona ny taona vaovao dia efa saika nandefa taratasy fampiomanana tany amin’ireo mpanofa tranony avokoa ny

03-févr-2022

 ankamaroan’ireo tompon-trano. Anton’izany ny fisondrotry ny vidim-piainana raha araka ny fanazavan’ny tompon-trano iray. Eo ihany ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana trano raha misy fahapotehana toy ny tafo izay efa mila tsy ho taka-bola intsony ankehitriny, ny loko, ny famadihana ny varavarana ho lasa vy izay tena tsy maintsy hirosoan’ny tompon-trano rehetra amin’izao noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana…. Na izany aza anefa dia velon-taraina mafy kosa ireo mpanofa trano. Tsy misy mantsy na dia 1 Ar aza ny fampiakarana karama tamin’ity taona ity nefa ny fandaniana tsy mitsaha-mitombo. Eo an-daniny anefa dia sarotra ihany koa ny mitady trano mora amin’izao fotoam-pahavaratra izao indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Marobe mantsy ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano ka hifampitadiavana ny trano fonenana.

Pati
Legende : Mihalafo hatrany ny hofantrano eto an-drenivohitra amin’izao

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap