airtel

Sosialy

16-avril-2021

Sosialy

Antson'ny tantsambo Sokafy malalaka ny jono

Sample post image

Nitokona tao amin’ny Seranantsambon’I Mahajanga ny sendikan'ny Tantsambo omaly alalamisy 15 aprily.

16-avril-2021

Miantso ny filoha Andry Rajoelina izy ireo mba hamela malalaka azy hanao ny asany, indrindra ny mahakasika ny fanokafana ny sehatry ny fanjonoana. Efa ny volana martsa moa no voalaza fa tokony hisokatra ny jono. Noana izahay, 5 volana tsy niasa, hoy izy ireo. Nilanja sora-baventy tao amin’ny faritry ny seranantsambo. “Matoa izahay mijoro, dia efa resy tanteraka. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hanokafana haingana ny jono. Mba mamelom-bady aman-janaka izahay, sahirana,… Tsy avy ao Mahajanga ihany fa misy avy any Toamasina, Mahajanga, Diego,…. An’arivony no lasibatra. Mangataka karama ho an’ny sambo mpanjono ihany koa. Nilaza hiroso amin’ny dingana mafy kokoa izy ireo rehefa minia manao bemarenina ny Fitondrana. Ny orinasa kely efatra sisa nisy latsaka an-davaka ihany koa, hoy ny fanazavana. Ny hiafaranay angamba tsy fitakiana hiasa intsony no ataonay, fa ny hialanao hidiran’ny hafa, hoy ireo ny tenin’ireo Tantsambo miantefa amin’ny Filoham-pirenena.

Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap