airtel

Sosialy

21-janv-2022

Sosialy

Boriboritany fahadimy Ankizy 4 no matin’ny trano nihotsaka

Sample post image

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin'ireo toerana ahitana traboina omaly ny Solombavambahoaka lany teny amin'ny boriboritany fahadimy,

21-janv-2022

 Naivo Raholdina, sy ny Sefo distrikan'ny TANA 5 ary ny Sefo Fokotany. 4000 no isan'ny traboina eny amin'ny boriboritany faha 5. Ankizy miisa 4 no matin’ny trano nihotsaka vokatry ny ora-mikija teny an-toerana. Ny 2 teo Manjakaray ary ny 2 hafa teo Nanisana. 18 taona no zokiny indrindra ary 1 taona no kely indrindra. Nitondra izay voatsirambin’ny tanany ity solombavambahoaka ity hanampiana ireo traboina. Isany ny filana an-davan’andro toy ny vary sy voamaina. Ho tsinjaraina araka ny filana sy ny fandaminana izany, hoy ny fanazavana. Nisy koa ny goailaka namefena ny toerana hipetrahan'ireo tsy manan-kialofana ireo. Manentana hatrany ny rehetra hiala amin'ny toerana ahiana hitera-doza amin'izao fotoanan'ny orana izao toy ireo trano ahiana hirodana sy toerana manamorona renirano sy feliloha ity solombavambahoaka ity sy ireo mpiara-miasa aminy tonga teny an-toerana ka hitandrina fatratra ialana amin'ny favoazana samihafa.
J. Mirija
Legende: Ny depiote Raholdina sy ny ekipany nidina teny an-toerana
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap