airtel

Sosialy

08-nov-2021

Sosialy

Delegasionina be tany amin’ny COP26 Inona no voka-tsoa ho an’i Madagasikara ?

Sample post image

Isan’ny fatra-panakiana ny Fanjakana Rajaonarimampianina ny Mpitondra ankehitriny teo anatrehan’ny delegasionina efa ho an-jatony niatrika ny COP21 tamin’ny 2017.

08-nov-2021

 Nandeha hatramin’ny kajikajin’ny mpamakafaka iray tamin’izany izay lasa minisitra ankehitriny, ka 300 na 350 dolara eo angamba no nikajiany ny “indemnité” an’ny olona iray isan’andro tamin’izany. Fa nanao ahoana ny amin’izao ? Niala teto ny 31 oktobra ny Filoha izay nitarika ny delegasionina, ary ny tsy nody raha tsy ny 7 novambra, izany hoe: 8 andro ny fitambaran’ny dia. Tsy nisy isa mazava ofisialy, fa Andrim-panjakana sy sampan-draharaha 13 no nambara ofisialy fa nandeha, ankoatra izay tsy fantatra. Raha nisy solontena 3 avy, ohatra, dia 40 eo izany, izay efa kaonty ambany satria ny olona miaraka amin’ny filoha mety ho efa am-polony. Raha mandray 300 dolara isan’andro efa 12 000 dolara isan’andro, ary ao anatin’ny 8 andro 96 000 (336 000 000Ar eo ho eo). Mbola tsy tafiditra amin’izany ny saran’ny fiaramanidina izay manodidina ny 1800euros (8 100 000 Ar eo ho eo) ny mandroso sy miverina, ka raha ho an’ny olona 40 izany efa 324 000 000 Ar any ho any. Raha halalinina, amina miliara ny vola lany. Tena mitondra vokatra ve anefa sa delegasionina be tsy handraofana fotsiny, handaniana volam-bahoaka tsy toko tsy forohana, fa ny tamberim-bidy tsy hita aloha izay tena entiny. Tsy vao izao no niseho ny toa io, fa vao tamin’ny aogositra. Olona hanao diaspora hihoba sy hidera ny Filoha aza toa notaomina avy aty Madagasikara. Izany ve no atao hoe: Fanjakana tsara tantana? Sao dia mba efa filibana amin’ny volam-bahoaka? Moa mifanaraka amin’ny kisehoseho ve ny tena ady amin’ny famotehana tontolo iainana eto. Mirehitra ny ala, mandeha ny trafika,… fa ny mpitondra kosa toa variana amin’ny kisehoseho !

FAMPALAZANA TENA ?
Toa nivoizana fampalazana tena hatrany am-boalohany ity COP26 ity. Nireharehana ny hoe: miara mivory amin’ny Filoha matanjaka, telo ihany Afrikanina ka isany ny Malagasy,… Nisy ny hafatra nataon’ny Filoha Rajoelina tao amin’ny Tambajotra Twitter naneho ny sariny niaraka tamina filoha maromaro hoe : « Eo anilan’ireo tompondaka eran-tany amin’ny ady ady atao amin’ny fihavanan’ny tany, mba hiarovana ny alan’i Afrika ». Efa tena misy kosa ny fahasahiana manebaka ity Filoha Malagasy ity, toy ny Rtoa iray antsoina hoe Ramiam Chris, izay naneho hoe : « Tsy hoe miaraka amin’ireo lehibe eto ambonin’ny tany ianao dia anisany. Ianao no tompondakan’ny famotehana, faharatsiana , ny fitotonganan’i Madagasikara izay tsy mbola nisy hatramin’izay ».

 Inona moa izany no ataon’ireo firenena maro manoloana ny hanohanana any Madagasikara noho ny fiovaovan’ny toetr’andro, hoy i Jean Luc Mélenchon.

Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap