airtel

Sosialy

18-janv-2021

Sosialy

Depiote Angèle Solange “Tsy azo sakanana ireo mpifindra monina any atsimo”

Sample post image

Tsy azo sakanana ireo mpifindra monina any atsimo. Na dia eo aza izany dia tsy

18-janv-2021

 

 

mamporisika ny fifindra-monina ireo olona ireo ny fanjakana, hoy ny solombavambahoakan`i Madagasikara voafidy tany Amboasary Atsimo, Angèle Solange. Nambarany hatrany fa tsy vao izao no nisy io fifindramonina io. Nomarihany koa fa tsy ny mponina any atsimo irery ihany no mila ravinahitra. “Misy polisy manakana ary milaza hoe tsy afaka miakatra an-drenivohitra ianareo. Marihako hatrany fa malalaka amin` ny fivezivezena izy ireo. Izay tonga avy any atsimo kosa dia tokony olona manana saran-dalana fa tsy handeha tanam-polo kosa. Izay no nahatonga ny omaly (ndlr: alakamisy teo) nisavoritaka tetsy amin`ny fasan’i Karana”. Nohamafisiny hatrany fa ny fanjakana efa manao dingana lehibe amin`ny zava-misy any atsimo fa tsy hanafatra akory olona hiakatra akory. “Ny any aza no mahazo tombony kokoa noho ny ezaky ny CCOK” hoy izy. Nitondra teny kely ho an` ny fizarana fanampiana any amin` ny distrika misy azy kosa ity depiote ity. “Misy ny fandaminana amin` ny fizarana amin`izao. Fa kosa tokony alefa amin` ny sambo ireo fanampiana ireo amin` izay mitoby haingana any Tolagnaro ary tsy mandeha tsikelikely ny entna satria raha taomina amin`ny kamio dia voafetra ny entana zaka” hoy ity depiote ity.

Marigny A.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap