amin'ny distrikan' Antanambao Manampotsy Toamasina. Nandeha niasa tany Mahajanga izy noho ny tsy fahampiana ka sendra mpampiasa mpanao herisetra. Raha araka ny fitarainany mantsy dia efa ho 08 volana izy izao no tsy nandray karama nefa niasa mafy tsy nijanona. Ankoatra izay dia fantatra fa nodoran'ireo mpampiasa azy tamin'ny briquet ihany koa i Eliza no sady nokapohany tamin'ny tavoahangy avy nisotroana labiera. Mahatsiaro mijaly i Eliza manoloana izany koa manao antso avo amin'ireo tompon'andraikitra ao Mahajanga mba hijery akaiky ny herisetra mianjady aminy.
Pati
Légende : Maradratra tahaka izao ny tongotr'ilay tovovavy !
Miantso fandraisana andraikitra ny fikambanana FACHA