2 volana raha kely ny hofan-trano takiana amin’izany raha efa mahatratra 4 volana ny an’ny sasany. Hatramin’ny volana janoary no mankaty no nisian’izany ary tsy mitsaha-mitombo hoy hatrany ny sefom-pokontany iray. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanofa trano iray dia nambarany fa vokatry ny hasarotan’ny fiainana, indrindra fa ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no tena mahasempotra ny olona. Saika lasa any amin’ny fandaniana amin’ny fampandehanana ny fiainana avokoa mantsy ny vola eo am-pelatanana hany ka voakitika hatramin’ny hofan-tranon’olona. Voatery najanona nianatra ihany koa ny mpianatra ho an’ny sasany. Misy amin’ireo mpanofa vokatr’izany no mitsoaka hofantranon’olona mihitsy ary mahavita mamindra entana amin’ny andro alina raha misy koa ireo miandry roahina ary manofa sarety mba hitaomany ny entany. Ho an’ireo tompon-trano sasany moa dia ny mandroaka izany ary mampanao taratasy ireo mpanofa vaovao eny anivon’ny Fokontany no hitany fa vahaolana hahafahany mibata ny entan’ireto farany rehefa tena tsy mahaloa izany izy ireo. Tsiahivina moa fa lasa fidiram-bola tsy azo antoka intsony ihany koa ny hofan-trano vokatr’izay fahasahiranan’ny tokantrano Malagasy izay.
Pati
Legende : Sasatry ny mitaona entana tahaka izao ny olona rehefa tsy mahita hofan-trano
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.