airtel

Sosialy

04-oct-2022

Sosialy

Fahasahiranana Mitombo isan’andro ireo tokantrano mivaro-pananana

Sample post image

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty ka nampiakatra ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no nahatonga izany.

04-oct-2022

Vokany, betsaka amin’ireo tokantrano Malagasy no lasa mivaro-pananana. Mitombo isan’andro izy ireny raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotra entana tonta iray eny Itaosy eny. Manomboka amin’ny sotro sy lovia izany ka hatramin’ny fandriana sy ny fanaka ao an-tokantrano. Renim-pianakaviana efatra isan’andro raha kely hoy hatrany ny fanadihadiana natao no tonga mivarotra ny fananany eo amin’io mpivarotra io. Misy ireo tsy mahaloa vidin-jiro, misy ireo tsy mahaloa hofantrano, raha tsy manan-kohanina no betsaka. Eo an-daniny koa anefa hoy ity Ramatoa mpivarotra ity hatrany dia mbola olana ihany koa ny fivarotana ireny entana tonta ireny. Hatao lafolafo mantsy izany manalasala, hatao mora ihany koa mamono antoka. Tsy manam-bola hividianana izany ihany koa ny ankamaroan’ny olona hoy hatrany ity mpivarotra entana tonta ankoatra ireo efa mampirim-bola mitokana mihitsy izay azo kitihana raha misy zavatra ilaina. Nomarihin’ity mpivarotra entana tonta ity moa fa mahatsiaro ho sahirana ihany koa izy ireo vokatr’izany. Mihitsoka tanteraka ao amin’ilay entana ihany koa mantsy ny vola hampiasainy rehefa tsy misy ny mpividy. Manodidina ny 5.000 Ar eo ho eo moa no alaina amin’ny vidin’ireny entana tonta ireny raha kely hatramin’ny 100.000 Ar.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap