airtel

Sosialy

10-mars-2021

Sosialy

Faktioran’ny Jirama Tsy maintsy ampiharina ny Optima

Sample post image

Mbola raharaha tsy mety tapitra ny mahakasika ny saran’ny herinaratra eo anivon’ny Jirama,

10-mars-2021

 

 

 

izay misy ny tsindry avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena tao anatin’ny famoahana fanambarana telo teo izay, mitaky ny fampiharana ny “tarif optima” sy ny vidiny tena izy na “vérité de prix”. Nilaza kosa ny Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Jirama Atoa Solo Andriamanampisoa omaly, fa tsy niato izany ny fampiharana ny Tarif Optima. Taorian’ny nampiharana ny Optima voalohany tamin’ny janoary, dia nisy ny fanintsiana nametrahana ny “tarif intermediare” na eo anelanelany, hoy izy. Mbola ao anatin’ny fifandresen-dahatra amin’ny bannky iraisam-pirenena amin’izao. Tsy naato ny “Optima” fa mitohy, fa ny fanintsiana no atao. Misy mantsy ny misitraka fidinana, fa misy mety miakatra arakaraka ilay “catégorie”, hoy ny fanazavana. Rehefa nandeha ny fifanarahana sy ny adihevitra, dia nanolo-kevitra ny hampidirana io “tarif intermediaire” io ny Jirama satria teo aloha, miainga amin’ny “tarif ambany” 130kwh tonga dia miakatra any amin’ny ambony 764Ar/kwh, ka 560Ar io eo anelanelany io, izay eritreretina hampiharina manomboka ny 01 mey. Amin’izao fotoana izao, dia 400Ar/kwh eo ny mason-karenan’ny Jirama, izany hoe mbola mivarotra fatiantoka amin’ny sokajina mpanjifa satria io ilay misy “subvention”, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny filankevi-pitantanana. Nanentana ny mpanjifa hanantona ny Jirama ity orinasa ity, ary azo jerena araka ny zava-misy tsirairay “cas par cas” ho an’ireo mpanjifa 41 000 ny momba io saran’ny herinanaratra io.

 

Ny 24 febroary, raha tsiahivina, dia ny 24 febroary no nibedesan’ny Filoha Rajoelina ny Jirama, ka nilazany fa tsy azo ekena ny fampiakarana ny vidin-jiro. Ny faktiora miakatra 100% kanefa ny kalitao aotra, hoy ny filoha, ka nanome baiko hoe hatsarao aloha ny kalitao, ary vao avy nandalo krizy ka tsy azo ekena. Raha zohiana, efa nisy ny fifanarahan’ny Jirama sy ny Banky Iraisam-pirenena, kanefa nisy iny baiko iny. Etsy andaniny, raha ny fanazavana, ananan’ny Jirama 318 miliara ariary ny Fanjakana ny faran’ny 2019 vokatry ny tsy fandoavana vidin-jiro, izany hoe mety isan’ny fositra ihany koa ny Fanjakana ao anatin’io.

 

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap