airtel

Sosialy

02-mars-2021

Sosialy

Famindrana ireo mponina tao Fascène Gare Nandany 2,7 miliara Ar ny Ravinala Airports

Sample post image

Nofaranan'ny orinasa Ravinala Airports tamim-pomba ofisialy ny zoma 26 febroary teo tamin’ny alalan’ny fizarana kara-tany ny famindràna an'ireo

02-mars-2021

 mponina tao Fascène Gare Nosy Be Hell Ville taloha, nankany amin'ny tanàna vaovao ao "Pont Valiha". Raha ny tantara, voasafidy ary nanao sonia fifanaraham-pitantanana tamin’ny fitondram-panjakana ny orinasa Ravinala Airports ny taona 2015 mahakasika ny famatsiam-bola, ny fanamboarana, ny fampiroboroboana, ny fampiasana, ny fikojakojana, ny fikarakarana ary ny fitantanana an'ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenen'Antananarivo sy Nosy Be. Noho ny fanajariana, dia nisy ny famindrana toerana. Tokantrano miisa 65 no voakasiky ny tetikasa ary nafindra tamin'ny tany voajary 2 Ha ao Pont Valiha, nanomboka ny desambra 2019. Io tany io dia azon'ny Fanjakana ny 07 jona 2018. Nozaraina roa ny dingana famindrana: ny 2016 ka hatramin’ny 2019 tao amin’ny Pont Valiha ny voalohany. Nisy ireo asa nataon'ny Ravinala Airports nahafahana nanajary an'ilay tanàna vaovao, toy ny fanamboarana làlana, toerana fiondranan’ny rano, toeram-pidiovana, toerana fiandrasana taksibe, fampidirana jiro niaraka tamin’ny JIRAMA,… Nomen’ny CPGU fiofanana manodidina ny fananganana trano mahazaka rivo-doza izy ireo. Ny karazana fifindrana faharoa, izay noho ny antony ara-ekonomika dia natao ny taona 2019 ka hatramin’ny 2021. Nandritra izany, nanome fanampiana ara-tsakafo, an'ireo mponina, izay ilainy amin'ny fiainany andavanandro ny Ravinala Airports. Mizara ny fanampiana andiany faha-35 ankehitriny ny orinasa. Ary farany, ny tetikasa famerenana ny foto-pivelomana nahafahana nanampy an'ireo mponina tamin'ny alalan’ny Fanomezana asa azy ireo.

 

Efa tanteraka avokoa ireo antan-tohatra 7 tamin'ny famindran-toerana ireo mponina, araky ny fenitry takian’ny SFI sy ny lalàna misy eto Madagasikara. Nanolotra fanalahidy izay mariky ny fifaranan’ny famindra-monina ho an’ireo vahoaka tao Fascène Gare tamin’ny Ben’ny Tanàna ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports. Nampiasana vola mihotra ny 2.700.000.000 Ar ny fanatanterahana io tetikasa io, raha ny fanazavana.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap