airtel

Sosialy

22-janv-2021

Sosialy

Famokarana herinaratra - Jirama Tsy mahatosika tsara intsony ny milina

Sample post image

Efa ela ihany izao no niaina anaty fahoriana ny mpanjifa JIRAMA eto Antananarivo sy ny manodidina.

22-janv-2021

 

 

 

 Ary tato anatin` ny andro maromaro no tena niha mafy ny fanapahan-jiro. Saika tapaka isan`ora ny herinaratra ary indraindray maharitra 24 ora. Araka ny fanazavan` ny tale jeneralin`ny Jirama, Vonjy Andriamanga, tamina onjam-peo iray omaly, antony telo ny mahatonga izany: ny fiovan` ny toetry ny andro no miteraka izay fahatapahn-jiro lavareny izay; faharoa, ny tsy fahampian` ny tosika avy amin` ireo milina mamokatra herinaratra; fahatelo, tsy maintsy miroso amin` ny fanapahan-jiro ny jirama rehefa misy kotroka mba hisorohana izay mety ho hisian` ny fahasimbana eo amin`ny fitaovana ampiasaina. “Ny tambojotra rehetra dia eny ambonin` ny andrin-jiro. Misy “dispositif” harovana amin` ireo fitaovana ireo. Rehefa misy kotroka mafy be dia tsy maintsy tapahina mba iarovana ny mpanjifa sy ny fitaovana. Raha tamin` ny taon-dasa no niresaka herinaratra isika dia nisy faritra tapaka isan`andro. Amin`izao anefa dia tsy misy faritra iray tapaka jiro fa miaraka avokoa” hoy ny ny fanampin-panazavana. Ankoatra ny jiro moa dia misedra fahasahirana amin’ny rano ny mpanjifa. Matetika ny fahatapahana, ary misy mihitsy azy tsy miakatra intsony ny rano eny amin` ireo paompy sy isan-tokantrano.

 

Marigny A.

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap