airtel

Sosialy

05-déc-2024

Fampiakarana vidin’entana eny an-tsena

Hararaotina hatrany amin’ny fotoanan’ny orana

Sample post image

Hararaotina hatrany amin’ny fotoanan’ny orana, tahaka izao, amin’ny ankapobeny,

05-déc-2024

ho an’ny ankamaroan’ireo mpivarotra ny fampiakarana vidin’entana eny an-tsena. Ny ankamaroan’ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana mikasika ny anton’izay sondro-bidy izay, indrindra, ho an’ireo filàna an-davan’andro, dia saika tsy mahalala akory ny anton’ilay fiakarana fa dia hoe noho ny rotsak’orana no valin-teny na koa hoe hatrany am-potony mihitsy. Misy fanazavàna mba azo raisina tamin’ireo sasany izao ny hoe noho ny fahapotehan’ny lalana dia manahirana ny fampiakaram-bokatra. Ny vary tsipala, ohatra, izao raha 2100 Ariary no vidiny teny amin’ny mpivarotra mahazatra ny herinandro teo dia efa tafasondrotra hatrany amin’ny 3200 Ariary be izao nanomboka ny 3 desambra. Ny vary gasy mena efa misy 3400 hatramin’ny 3500 Ariary. Ny entona fandrehitra na «gaz» kosa dia lasa 64.000 Ariary ny 9kg, raha toa ka 61.800 Ariary teo aloha, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Asa fotsiny izay hitranga raha toa ny solika ka mbola hisondro-bidy koa! Aiza ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa? Aiza ny minisiteran’ny varotra sy fanjifàna?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hanokatra ny fankalazana ny faha-10 taonany ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra

Card image cap
16-janv-2025

Ankoatran’ny hoe tsy mihinana in-3 isan’andro intsony dia efa tsy vitsy koa ankehitriny

Card image cap