Namoaka fanadihadiana ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana PNUD, fa mampiseho ny sary tamin’ny alalan’ny zanabolana, fa ireo rivodoza roa namely an’i Madagasikara tamin’ny fiandohan’ny volana Febroary dia namely indrindra ireo vondrom-piarahamonina efa sahirana tamin’ny fivelomana sy ny fahazoana tolotra fototra. Nampitombo ny faharefoana izany ary mampanahy ny ho fanarenana. Ny rivodoza Fytia no namely ny morontsiraka andrefana tamin’ny 31 Janoary hatramin’ny 1 Febroary, ary i Gezani kosa niditra tao Toamasina ny 10 Febroary. Niteraka tondra-drano sy fahapotehan’ny trano, tany fambolena ary fotodrafitrasa izany. Araka ny tatitra, hatramin’ny 350 000 olona no tratran’ny rano, ary 63 % tamin’izy ireo dia ireo efa tsy mpisitraka sy tsy nanana antoka amin’ny tolotra fototra talohan’ny loza, hoy ny PNUD. Ny fanambaran’ny sary zanabolana sy ny antontan-kevitra ara-tsosialy dia manampy amin’ny famaritana ireo faritra tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fanarenana. « Ho an’ny fianakaviana izay ny hoanina anio tadiavina anio, ity tondra-drano ity dia teboka maneho faharavana tanteraka », hoy ny Dr Edward A. Christow, solontenan’ny PNUD eto Madagasikara. Ny sehatry ny fambolena no tena voa mafy: hatramin’ny 174 100 hektara no tondraky ny rano. Any amin’ny kaominina maro ao amin’ny faritra Atsinanana, mihoatra ny 80 % ny tany volena no simba, ka mampanahy ny famatsiana sakafo sy ny tsena. Ao Antetezambaro, i Mme Lala, renim-pianakaviana manana zanaka enina izay nohadihadian’ny PNUD dia nilaza hoe: « Simba ny voly, ary ho ambany ny vokatra. Matahotra mosary izahay amin’ity taona ity. » Ny fiantraikany dia tsapa hatramin’ny sehatra madinika. Volamanana Clarisse, mpivarotra ronono, nitaraina hoe: « Talohan’ny rivodoza dia nivarotra ronono hatramin’ny 150 litatra isan’andro aho. Ankehitriny, 20 litatra sisa no lafo. ». Naneho ny PNUD fa miara-miasa amin’ny manampahefana eto an-toerana sy nasionaly amin’ny famolavolana drafitra fanarenana. Anisan’ny asa maika ny fanarenana ny rafitra fanondrahana na « système d’irrigation », fanesorana ny potipoti-javatra, fanamboarana lalana ary fanohanana ny tantsaha sy ny mpandraharaha madinika. Raha tsy misy fepetra haingana, dia mety hiharatsy ny tsy fahampian-tsakafo ary hiharitra ny fialan’ny olona amin’ny taniny. Ny fanamby lehibe dia ny famerenana ny fiveloman’ny mponina sy ny fanarenana ny hasin’ny fiainana, hoy ny PNUD.
Toky R