airtel

Sosialy

20-août-2021

Sosialy

Fanisana trano eto an-drenivohitra Vita ny 20%-n’ny asa, efa tafiditry mpisoloky sahady

Sample post image

Efa tapa-bolana izao no nanombohan’ny asa fanisan-trano andiany faharoa manerana ireo Boriborintany 5 mbola tsy nahavitana izany, karakarain’ny kaominina Antananarivo renivohitra, tohanan’ny tetikasa Produir.

20-août-2021

Ny 20%-n’ny asa no efa vita amin’ny ankapobeny nahavitana nanisa trano miisa 30.000. Nambaran’ireo tompon’andraikitra misahana ny tetikasa fa anisan’ny tanjon’izy ireo sy ny kaominina Antananarivo renivohitra ny mba hahafahana manao drafi-pivoarana entina hanatsarana ny tanàna raha tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ireo filan’ny mponina. Anisan’ireny ohatra ny jiro ho an’ireo mbola tsy manana izany, ny rano raha tsy adino ihany koa ireo trano naorina tsy ara-dalana mbola tsy manana taratasy fahazoan-dalana. Fahombiazana no azon’ny mpikarakara tamin’ny ankapobeny. Na izany aza anefa dia nisy ihany ny indrokely. Raha araka ny fanazavan’izy ireo omaly mantsy dia efa tafiditry ny mpisoloky ihany koa ity sehatra ity. Mitety trano mihitsy izy ireo ary efa nisy tratra ka efa natolotra ireo tompon’andraikitra misahana izany ny raharaha. Nomarihin’ireo mpikarakara moa fa manana badge ara-dalàna ireo olona tonga mitety trano manao ity asa fanisan-trano ity, manao fanamiana mitovy ihany koa ary manana zo hitaky izany ny tompon-trano mba hisorohana ireo mpisoloky mikasa hanao ny hataony.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap