airtel

Sosialy

10-mai-2022

Sosialy

Fetra, mpidoroka zava-mahadomelina “Tolotolotra avy any aman’olona no naharoboka ahy”

Sample post image

Ankizy 13 taona no zandriny indrindra amin’ireo mandray zava-mahadomelina mahery vaika toy ny heroine eto amintsika.

10-mai-2022

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’i Fetra tovolahy iray mandray sy midoroka izany dia tolotolotra avy tany aman’olona no naharoboka azy. Mpivarotra heroine mandehandeha eny amin’iny faritra 67 ha iny izay efa mpamatsy ireo mponina eny an-toerana mihitsy no nanome azy izany. Indroa no nomeny heroine aho hoy izy ary isaky ny avy mandray izany dia mahatsiaro ho sambatsambatra izany. Mahatsapa ihany koa ny tenako hoy izy fa lasa matanjakabe ary manana hery hafa mihitsy. Nanjary tamana ny tenako hoy hatrany i Fetra, ary tsy manaiky raha tsy mahazo tsindrona heroine kely isan’andro. Tsy nety nanome maimaimpoana intsony anefa ilay olona hoy hatrany izy ka lasa nanaotao foana aho. Natomboko tamin’ny halatra vilany sy lovia tao an-trano izany hoy hatrany, nihafara tamin’ny fangalarako vola tao an-tokantrano mba hividianako heroine ary izao izaho tonga hatrety Antanimora izao.

Pati
Legende : Any am-ponja izao i Fetra maka saina
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap