airtel

Sosialy

08-juin-2022

Sosialy

Fisolokiana sy filokàna an-dalam-be Olona 4 no nosamborina tetsy Analakely

Sample post image

Olona miisa 04 no nosamborin’ ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SUT (Sureté Urbaine de Tana) teo Analakely ny zoma 03 jona 2022 lasa teo rehefa nisoloky tamin’ny alalan’ny lalao “Mena mahazo”.

08-juin-2022

Vehivavy ny 02 tamin’ireo voasambotra ireo. Mody milalao sy mahazo koa izy 2 ireo hisarihana ny hafa hanatona ilay filokàna an-dalam-be. Rehefa mahita an’izany ireo olona izay jonoiny dia roboka miloka ihany koa kanefa tsy mahazo akory ka dia very vola. Manoloana ny tranga fisolokiana sy filokàna an-dalam-be izay voararan’ny lalàna toy izany dia nandray andraikitra avy hatrany ny Polisy avy ao amin’ny SUT ka nisambotra ireto mpisoloky ireto sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tamin’ny fanadihadiana no fantatra fa toerana be olona toa an’Analakely sy Anosibe no fanaovan’ireto andian’olona ireto izao asa ratsiny izao, ary efa betsaka ny olona voasolokiny tamin’izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianadahy
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap