airtel

Sosialy

12-oct-2021

Sosialy

Fizarana vola fisotroan-dronono Nikorontana noho ny fanavaozana karatra

Sample post image

Velon-taraina ireo beantitra mpisitraka fisotroan-dronona teto Antananarivo sy ny manodidina omaly noho ny filaharam-be tsy nifankahitana.

12-oct-2021

 Nahitana an’izany teny Avaradoha, Analamahitsy, Ivato, Ankadifotsy, Isotry,… Ho an’ny teto amin’ny Tia Tanindrazana dia antso maro no voaray nampitan’ireo Raiamandreny mpisotro ronono. “Mijaly izahay, hatramin’ny 4ora maraina no tonga hatramin’izao tsy nahazo,… Misy anefa tena zara raha nanana saran-dàlana namonjena ny toerana, ary efa nanantena hahazo, kanefa hatramin’izao tsy mahita mangirana, hoy ny renim-pianankaviana iray efa tamin’ny 4ora tolakandro izy tsy mbola afaka tetsy Avaradoha. Olona iray 20 minitra ny fandraisana ny olona iray raha kely indrindra, tena mijaly izahay,…” hoy ireo Raiamandreny. Fanavaozana ny karatra moa no voalaza fa antony. “Aoriana, tsy hisy intsony ny filaharana, fa hisy ny fizarana karatra elektronika. Tafiditra ao anatin’ny “digitalisation” ahafahana maka sy manana isa marina ho an’ireo mpisitraka fisotroan-dronono. Hilatsaka avy hatrany any amin’ny karatra ka anjaran’ny mpisitraka ny fisotroan-dronono ny maka izany any amin’ny banky na paositra”, hoy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nitondraza fanazavana omaly. Nanomboka io omaly io ka hatramin’ny 19 oktobra moa ny fisitrahana fisotroan-dronono. Mbola hitohy hatramin’ny 23 oktobra kosa ny fanoloana ny karatra, hoy ny tompon’andraikitra nanazava tamin’ny fahitalavitra. Nambbara fa ahafahana manatsara ny kalitao amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo mpisitraka fisotroan-dronono. Mba tsy hisian’ny filaharam-be mahazatra. Niaiky ny tompon’andraikitra fa nisy tsy tomombana teo amin’ny fandaminana omaly, ka dia niala tsiny tamin’ireo Raiamandreny, fa hiezaka izahay hanatsara. Nomena toromarika mba hifandraika amin’ny fandaharam-potoana nomena ny fahatongavan’ireo mpisitraka fisotroan-dronono.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap