airtel

Sosialy

06-oct-2021

Sosialy

Foara nasionaly momba ny hoditra Hanomboka rahampitso ny “Akora Gasik’Art”

Sample post image

Hotontosaina etsy amin’ny Zaridainan’Antaninarenina ny 7-8-9 oktobra izao ny Foara nasionaly lehibe momba ny hoditra na « Foire du cuir » mitondra ny anarana hoe :

06-oct-2021

 « Akora Gasik’art», eo ambany fiahian’ny Minisitry ny asa tànana sy haitao Rtoa Sophie Ratsiraka. Manohana izany ny tetikasa FAC/MAIR (Mécanisme d’Appui à l’Intégration Régionale) eo anivon’ny COMESA (Marché Commun de l’Afrique Orientale et Australe). Ho maimaimpoana ny fidirana, ahitana tranoheva 40 eo ho eo, ary 30 000-40 000 eo ny mpitsidika andrasana. « Ny 2020 dia 10 tapitrisa euros tany ho any ny vola nampidirin’ny asa tànana. Ny hoditra no resahina eto, izay goavana ny fiatrehantsika ny fifaninanana amin’ny Maraokanina fa aleo ho avy ny fitaovana. Afaka mifanatrika amin’ny firenen-kafa isika, manana ny kalitao, ary izay no naharesy lahatra ny FAC/MAIR COMESA izay efa nanadihady teto an-taonany maro ny manam-pahaizana avy aminy, ka nanapa-kevitra ny hanohana an’I Madagasikara izy”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Asa tànana Atoa Ramanankavana Christian. Mandray anjara feno ny Fikambanana « Gasy Skin » vovonan’ireo mpikirakira hoditra eto Madaasikara. “Misy ny milina raitra sy avo lenta azon’I Madagasikara izay efa misy ampahany tonga, vao mainka hampiakatra ny fahaiza-manao sy ny kalitao”, hoy Atoa Freddy Randrianasolo Filohan’ny Gasy Skin, izay niantso ny mpisehatra amin’ny hoditra rehetra hanantona azy ireo ahafaha miara-manatsara ny kalitao sy ny tolotra. “Tsy COMESA irery, fa ny “Zone de libre échange Afrique continentale » izay efa idirantsika, dia vao mainka midadasika ny tsena, tsy ampy rahateo ny tolotra. Afaka hidirana ny any Eoropa, ny AGOA any Etazonia,… fa mila fiofanana izay efa mandeha. Maroc sy Kenya no tena atahorantsika, kanefa raha ireo masinina azo no haintsika ny mampiasa azy dia tena ho henjana sy tsara ny kalitao toy ny an’ny Italianina, hoy kosa Atoa Jhonny Raharindranto Coordonateur National FAC/MAIRE COMESA.
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap