airtel

Sosialy

18-mars-2022

Sosialy

Haintrano tao Andakabe, Morondava Fianakaviana telo trano no tsy manan-kialofana

Sample post image

Nitrangana haintrano omaly tolakandro tao Andakabe, Morondava, faritra Menabe. Fianakaviana telo trano, ahitana olona miisa 20, no tsy manan-kialofana vokatr’izany, raha ny fampitam-baovao voaray.

18-mars-2022

Fifandiparana herinaratra na “court-circuit” no voalaza niavian’ny firehetana. Anisan’ny may tamin’izany ny fiangonana Miara-manompo, tokantrano iray niaraka tamin’ny entana, izay marihina fa tsy teo an-toerana ny tompon-trano. Saika may tanteraka koa ny biraon’ny fitantanam-bola na “finance” izay mifanila amin’ilay fiangonana raha tsy nisy ny tana-maron’ny mponina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap