airtel

Sosialy

01-déc-2021

Sosialy

Herisetra an-dalam-be Voasambotra ireo roalahy nidarok’olona teny Ambodimita

Sample post image

Niparitaka teny anivon'ny tambazotra facebook ny fihetsik'ireo roalahy nandaka ilay mpitondra moto sy namono ilay lehilahy saika hiaro ilay mpitondra moto tetsy Ambodimita Ambohimanarina,

01-déc-2021

 hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena omaly. Nosamborin'ny Polisy izy roalahy mpisetrasetra ireo ary fantatra fa avy nisotrosotro izy ireo ka niseho be sandry tamin'ilay mpitondra moto sy ilay lehilahy iray hafa, hoy hatrany ny fanazavana. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy ireo rehefa vita ny famotorana ataon'ny Polisy . Anterina hatrany fa tsy azo ekena ny fanaovana herisetra toy izao na iza izy na iza ary na inona na inona antony, hoy hatrany ny fampatsiahivana. Ny tena nahasorena ny olona tamin’ny zava-nitranga dia olona 3 mianaka ireo niaraka tamin’ny moto izany hoe ray amandreny sy zaza, saingy tsy niraharaha izany ireo lehilahy, izay hita fa efa mamo tao anatin’ilay fiara Peugeot 309 fa nandaka sy nila vanona ary miaraka amin’ny teny ratsy.Ankoatr’izay , ireo olona niezaka ny nandamina indray no mbola nodarohan’zy ireo sy norahonana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap