airtel

Sosialy

18-nov-2021

Sosialy

Itaosy sy Ampitatafika Omena rano maloto mihitsy ve ny mponina ?

Sample post image

Miverina indray ny rano maloto sy ranom-potaka tonga any an-tokantranon’ny Mpanjifa amin’izao fotoana izao. Maro ny fitarainana voaray omaly maraina mikasika an’io,

18-nov-2021

 fa isan’ny nisongadina sy nahazoana fanamarihana betsaka ny teny Itaosy, Ampitatafika,…Nalefa ny paompy vao maraina tany ho any amin’ny 4 ora sy sasany tany fa tonga dia rano hafahafa be tahaka ireny hoe avy nanakobanana lamba na lovia ireny. Tsy fantatra intsony hoe inona no antony? Rano avy aiza io? Avy amin'ireny fotodrafitrasa lazaina fa mpanadio rano ireny ve sa avy eny Mandroseza ? Ny fantsona toa efa nosoloina sy namboarina ny ankamaroany sa mbola resaka fantsona harafesina hatrany no voalaza fa antony ? Iza no afaka manome toky fa rano fisotro madio ireny tonga any an-tokantrano ireny? Teny Ampitatafika nisy nilaza hoe narary kibo. Olana tamin’ny milina mpanadio rano ve sa inona loatra? Dia tsy misy manam-pahaizana afaka nanadio rano mihitsy ve teto raha handany vola ihany? Angaha tsy misy zavatra azo nafarana avy any ivelany manadio an'io raha tsy mahomby na tsy mety intsony ny efa misy? Ekena fa miha olana izao ny famatsian-drano fa tsy midika izany hoe omena rano maloto ny mpanjifa mandoa vola sy hetra isam-bolana. Tsy tena misy fanazavana ofisialy sy fialan-tsiny, fa toa vitavita ho azy eny. Sanatrian’ny vava hiandry fahatezeram-bahoaka ve vao ho taitra sy hikorapaka eo anatrehan’itony toe-javatra toa mitady hanana endrika tsy firaharahiana sy fanambaniana itony? Ekena ary tena marina, fa tsy hisy Malagasy dia tena hanana fahalotoan-tsaina hanao fanahy hiniana andeha hampihinana sy hampisotro rano maloto ny mpiray tanindrazana aminy, fa heverina ho tsirambina eo amin’ny asa sy ny tolotra ho an’ny vahoaka izao, ka mila handraisana andraikitra hentitra mba tsy hiverenany intsony. Tsy dia tena miraharaha izay mety ho ala olana ara-teknika any ny olona, fa ny fantany dia ny hoe: mandoa vola isam-bolana izy, ary tokony hifanaraka amin’izany ny tolotra sitrahany. Tsara ho marihina fa niverina nadio tahaka ny endriny mahazatra ny rano nanomboka omaly tolakandro, asa indray izay hitranga anio sy rahampitso, hoy ireo mponina lasa mitebiteby isan’andro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap