airtel

Sosialy

28-juin-2021

Sosialy

Jean Louis Robinson “Hampianatra antsika hiala amin’ny fahantrana ny Sinoa”

Sample post image

Nampita ny fiarahabany ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy noho ny fahatrarana ny fanamarihana ny faha 61 taona nahazoana fahaleovantena ny 26 jona

28-juin-2021

 

 teo ny ambasadaoron’ny firenena Malagasy ao Sina, Jean Louis Robinson. Nankalaza izany tamin’ny fomba mendrika koa izahay malagasy monina eto Sina, hoy izy. Nasongadina ny sary famantarana sy ny tarigetra hoe « Malagasy miray, miara-mientana ho an’ny fitiavan-tanindrazana ». Nisy ny fiaraha-mikorana sy misakafo tamin’ireo mpianatra ary nilazako fa manana tombony I izay tokony ho zaraina amintsika ny sinoa. Napetraky ny filoham-pirenena Sinoa, Xi Jinping, amin’ny alalan’ilay hoe “communauté de destin” fa mitovy ihany ny lalan-kizorana amin’ny fialana amin’ny fahantrana. Vonona izy ireo, noho izany, hanampy sy hampianatra antsika momba ny fialana amin’ny fahantrana. Efa noporofoiny tamin’izao tontolo izao fa tafavoaka amin’ny fahantrana izy. Eo koa ny politika “Gagnant-gagnant” izay velomin’izy ireo amin’ny hoe “la ceinture et la route”. Hahazo fiaraha-miasa daholo izay tafiditra anatin’izany ary isika malagasy no nanasonia azy voalohany. Am-pandinihana ny tetikasa rehetra mba hahatomombana ny fanatanterahana azy izahay izao ka vao vita fotsiny ity resaka Covid ity dia ho atao vaindohan-draharaha ny momba izany ary samy mahazo ny firenena roa tonta, hoy hatrany ity ambasadaoro ity tamin’ny antso an-telefaonina.
J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap