airtel

Sosialy

22-juil-2025

KAOMININA ALASORA

« An-jatony isan-taona ireo ankizy hanamboarana kopia »

Sample post image

An-jatony isan-taona ireo ankizy tsy maintsy hanamboarana kopia mari-pahaterahana

22-juil-2025

ho an’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano. Nahatratra 400 isa izany tamin’ny taona 2022 tany ho any hoy ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy raha efa mba manodidina ny 150 isa isan-taona amin’izao. Ankoatra ny tahotry ny olona hanatona birao dia fantatra ihany koa fa anisan’ny mampitombo isa ireo zaza tsy manana kopia ny fisian’ireo mpifindra monina ao anatin’ity kaominina ity mazoto miteraka amin’ny Renin-jaza. Manampy trotraka iany ny resa-bola.Hanatanteraka hetsika mifandraika amin’izany indray ny kaominina Alasora ato ho ato. Efa mandeha eny anivon’ny Fokontany ny fisoratana anarana hiarahana amin’ireo mpitsara, izay mponin’Alasora ihany. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny amin’ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra raha tsy latsa-danja amin’izany ny fanajana ny zon’ny ankizy. Tsy misy ny vola aloha fa maimaim-poana avokoa ny fikarakarana. Tsiahivina moa fa manana hatrany amin’ny 1 volana ny Ray aman-dReny manao ny fanambaram-pahaterahan’ny zanany eny anivon’ny kaominina.
Pati
Legende : Ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy nanazava izany tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

hampiakarana 300 000Ar ny karama farany ambany

Card image cap