airtel

Sosialy

27-mai-2022

Sosialy

Kaominina Ampitatafika Hozaraina fitaovana ireo ankizy sahirana hanao CEPE

Sample post image

Hozaraina fitaovam-pianarana na kits scolaire hiatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE avokoa ireo ankizy sahirana ao anatin’ireo Fokontany 13 isa mandrafitra ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

27-mai-2022

Ny mba hanalana fahasahiranana ireo Ray aman-dReny no tanjon’ny kaominina raha araka ny fanazavan-dRamarotafika Faly, assistant technique eo anivon’ny kaominina. Ankoatra io fizarana fitaovam-pianarana io dia hitohy amin’ny fanomezana sakafo maimaim-poana ireo mpiadina rehetra ao anatin’ny kaominina ny hetsika ny datin’ny 21 jona ho avy izao. Miisa 1.460 izy ireo, hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 3 izy ireo raha araka ny vaovao azo ka ao amin’ny CEG Faliarivo no ahitana mpiadina betsaka indrindra. Mahatratra 700 mianadahy mantsy izy ireo raha 380 isa ny ao amin’ny EPP sabotsy kely raha ao amin’ny EPP Ambodiafontsy ny ambiny. Tsiahivina moa fa hahazo sakafo atoandro mandritra izany ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra handray anjara amin’ny fampandehanana ny fanadinana CEPE ao anatin’ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Ramarotafika Faly, tompon’andraikitra ara-teknika eo anivon’ny kaominina Ampitatafika
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap