airtel

Sosialy

11-mars-2022

Sosialy

Kaominin’Ambohitrimanjaka “Mafy amin’ny vehivavy ny herisetra ara-moraly”

Sample post image

Hetsika maro toy ny diabe sy famondronana ireo vehivavy isam-pokontany no natao teny amin’ny kaominin’Ambohitrimanjaka ho fanamarihana ny 8 martsa lasa teo,

11-mars-2022

izay andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy. Misandrahaka, raha ny fanazavana, ny andraikitra sahanin’ireo andriambavilanitra eo anivon’ity kaominina ity. Ao ny miasa birao, ny manao asa tanana, ny mikarakara tokantrano ary mamboly sy miompy. Mbola betsaka ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto Ambohitrimanjaka, hoy ny sekreteran’ny boriboritany eo anivon’ity kaominina ity, Odile Razakarimanga. Ara-moraly sy toekarena io, hoy izy. Ohatra amin’izany ny hoe teraka maro ilay vehivavy nefa tsy misy fandraisan’andraikitr’ilay lehilahy fa manana ny filibany manokana ivelan’ny tokantrano ilay lehilahy. Lasa natao fakana taranaka fotsiny ilay vehivavy hany ka alaim-panahy ampiasa ilay zaza tsy ampy taona hanampy ny fidiram-bola ao an-tokantrano. Mangataka ny fitondram-panjakana izahay hanome tolo-tsaina sy tanana ho an’ireo vehivavy tsy an’asa ireo satria ny ankamaroany dia tena ianjadian’izay herisetra izay daholo, eny fa na ireo vehivavy manana anton’asa aza. Mafy amin’ny vehivavy eto ny herisetra ara-moraly. 30%n’ny vehivavy eto Ambohitrimanjaka no miasa birao dia eo amin’ny 50% eo no manao asa tena sy asa an-tselika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ireo vehivavy miadidy ny kaominin’Ambohitrimanjaka
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap