airtel

Sosialy

15-janv-2021

Sosialy

Kaominin’i Tsiafajavona Lasa misy tsena manara-penitra 26 isa

Sample post image

Nasiam-panavaozana ny tsena ao Tsiafajavona, vokatry ny fiaraha-miasan’izy

15-janv-2021

 

 

 

ireo tamin’ny orinasa Star.Tontosa tamin’ny 13 janoary lasa teo ny fanokanana ity tsena ity natrehin’ny governoran’ny Faritra Vakinankaratra sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ary ny tale jeneralin’ny orinasa Star. Raha tsiahivina kely dia nanomboka tamin’ny taona 2014 , fotoana nanorenan’ny orinasa Star ny ozininy tany Ambatolampy no nanasoavany ireo vahoaka any an-toerana. Vao miandoha indray ity taona 2021 ity dia nanangana tsena manara-penitra miisa 26 ao amin’ny kaominin’i Tsiafajavona izy ireo ho fanatsarana ny toe-karena eny an-toerana. Olona manodidina ny 2.000 isa moa no hisitraka mivantana ny tombontsoa azo avy amin’ny fijoroan’ity tsena ity. Nankasitraka feno ny fisian’ity tsena vaovao ao amin’ny kaominina iadidiany ity moa ny Ben’ny tanànan’i Tsiafajavona Ratsimandavana Jean Eric Rosalphin nandritra ny lanonam-pitokanana. Tsy hisy intsony mantsy hoy izy ny mpivarotra mipetraka amin’ny tany sy ny famotehana ala hanaovana fitoeran’entana ankoatra ny fidiram-bola ho an’ny kaominina.

Pati

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap