airtel

Sosialy

24-juin-2021

Sosialy

Lalàna momba ny toaka gasy Nolavin’ny antenimierandoholona

Sample post image

Tsy nolanian’ireo loholona ny tolo-dalàna laharana faha 03-2019 /PL tamin’ny 16 jona 2020 « relative à la production et à la commercialisation du Toaka Gasy »

24-juin-2021

 na ny lalàna momba ny fanalalahana ny famarotana toaka gasy, natolotry ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena. Isan’ny nandrasan’ny maro ny momba io tolo-dalàna io, saingy fandavana aloha izany no navoaky ny loholona noho antony mety ho maro. Ara-pahasalamana, dia isan’ny mety ho lesoka ny resaka fanarahana fenitra amin’ny famokara, ny resaka singa sy fatra ilaina,… Ara-politika sy ara-barotra, mety ho lasa mpifaninana amin’ny toaka vahiny hafarana ny toaka gasy, ary mety mandeha ny kajy avo lenta hanakanana azy. Raha ny lafiny kolontsaina sy ny fombafomba eto Madagasikara kosa, dia misy foana ny toaka amin’ny ankampobeny na an-kafaliana na an-karatsiana. Na voarara aza ny toaka gasy, misy sy hita foana io na aiza na aiza. Mety misy ny voka-dratsiny ara-pahasalamana, ara-piarahamonina, saingy na aiza na aiza aleha, dia saika ahitana toaka gasy avokoa fa ny karazany na ny heriny no mety hisy fahasamihafana. Adihevitra be io, ary ao ny milaza fa tokony halalahana, ao ny miteny fa tsy ilaina izany. Adihevitra tsy hifankahitana mandrak’androany hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap