airtel

Sosialy

20-déc-2021

Sosialy

Miaramila nanao herisetra tamina zaza Tsy ekena ny fihoaram-pefy, hoy tafika

Sample post image

« Nandray andraikitra avy hatrany ny eo anivon’ny Tafika an-tanety raha nahita ny fitarainana mikasika ny tovovavy iray izay lazaina fa nokasian’ny miaramila tanana.

20-déc-2021

 Ankoatran’ny fidinana ifotony nataon’ny zandarmaria dia misy ihany koa ny fanadihadiana atao amin’ilay miaramila voalaza anarana ao amin’ny tambajotra serasera samihafa. Tsy ekena eo anivon’ny Tafika ny mety fihoaram-pefy tahaka ny voalaza, ary manaraka ny raharaha akaiky ny lehibe isan’ambaratongany eo amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety », hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fiarovana. Raha ny ambangovangony, dia nandratra zazavavy kely iray sy ny zokiny lahy kely teny Betongolo izy io. Nitsovaka sy nivoa-drà mihitsy moa ny lamosina sy ny lamosiny sy y sandrin’ilay zazavavikely, izay voalaza fa zanaka miaramila ihany koa. Mpiara-monina eny amin'ny Cité Betongolo ny andaniny sy ny ankilany. Efa nitory tany amin'ny zandary ny ray aman-drenin'izy mianadahy. Efa nitaraina hatrany amin'ny fitsarana sy ny fikambanana Fitia, saingy tsy tena nisy valiny. Nanao antso avo sy fanairana ny Mpanao gazety mpiaro ny Zon'ny zaza (RFDIM), nangataka ny hamoahana ny baiko fampisamborana na «Ordre de poursuite» momba ilay miaramila “Sergent” ny faran’ny herinandro teo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap