airtel

Sosialy

24-mars-2022

Sosialy

Minisiteran'ny mponina Hanitsy ny paikady politika hiasany

Sample post image

Manatanteraka ny politikam-panjakana ijerena ny sosialim-bahoaka izahay eto anivon’ny fitantanana ankapobeny ny fiahiana ny sosialim-bahoaka ato amin’ny minisiteran’ny mponina,

24-mars-2022

 hoy ny tale jeneraly misahana izany na ny DGPS, Rivomanana Tsarahita Ghisbert, manoloana izao odidina na “contexte” misy eto amin’ny firenena izao. Programan’asa lehibe ao anatin’izany ny “Filet sociaux de sécurité” na araton’aina, izay vatsian’ny banky iraisampirenena vola, hoy izy. Ny minisiteran’ny mponina no mpandrindra izany ary ny FID no manatanteraka. Mizara 2 mazava izy io. Eo ilay fiahiana sosialy ho an’ny sehatra mampidi-bola mivantana anaty kitapom-panjakana na “protection sociale contributive” sy ny mifanohitra amin’izay na “protection sociale non contributive”. Ity farany izay mahakasika ireo tokantrano tena marefo aloha no tiako itondrana fanazavana. Io dia fanomezana azy ireo sakafo sy fiofanana ahafahany mitady asa, indrindra, ilay hoe “Tosika fameno” isam-bolana, izay lelavola mitentina 200.000 ariary. Entina hanamaivanana ny fiantraikan’ny vidim-piainana mafy dia mafy amin’izao fotoana izao izany rehetra izany. Midadasika manerana an’I Madagasikara io ary marina fa tsy voatery ny vahoaka Malagasy rehetra no mahazo azy io fa misy ny lisitr’ireo hita fa tena tokantrano marefo aloha izay efa ato amin’ny minisiteran’ny mponina ary tena mila jerena. Rehefa avy eo dia mijery ireo efa manana asa nefa tsy ampy enti-mivelona na ilay voalaza teo hoe “non contributive”. Ny volana may izao no volan’ny fiahiana ara-tsosialy. Hamolavola ny stratejia politika mikasika izany, na marimarina kokoa, fanintsiana ny efa teo izahay ka manentana antsika rehetra mpisehatra sosialy rehefa tonga izay fotoana izay mba hifanantona sy hifanome hevitra hijerena lavidavitra kokoa momba io atao hoe “protection sociale contributive” io. Manoloana ny zava-misy eo anivon’ny CNAPS amin’izao fotoana koa dia efa mamolavola ilay politika araka ny voalaza teo izahay ato amin’ny minisiteran’ny mponina ary ho avy ny fotoana hampahafantarana izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny tale jeneraly misahana ny fiahiana ara-tsosialy
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap