airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Morondava Mbola maro ireo manao maloto eny amoron-dranomasina

Sample post image

Mbola maro ireo olona monina eny amoron-dranomasina no manao maloto na diky eny amin’ny faritra tsy tokony hanaovana izany.

23-nov-2021

Manomboka amin’ny 04 ora maraina izy ireo dia efa mitandavana manao izany no sady manary maloto ho an’iny distrikan’i Morondava iny izay tokantrano am-polony maro mihitsy. Mitsingevana entin’ny ranomasina ireo maloto araka izany ka zary lasa sakafon’ny trondro. Rehefa lasa sakafon’ny trondro izy ireny dia tonga hatrany amin’ny toerana fanatodizan’ny trondro ihany koa ka manaparitaka mikraoba. Anisan’ny antony mbola mampahazo vahana ny aretina lefankozatra eto amintsika ny fisian’izany hoy ny dokotera iray any amin’iny faritra iny. Miverina hataon’ny olona sakafo indray mantsy ilay trondro avy nihinana diky iny ka miteraka aretina tsy roa aman-tany any anatin’ny vatan’ olombelona. Efa misy moa ny hetsika fanentanana hatao hahafahan’ny olona mahazo trano fivoahana manara-penitra any amin’iny faritra Morondava iny amin’izao fotoana. Arahin’ny fampianarana ny olona mba hahalala madio izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap