airtel

Sosialy

03-août-2021

Sosialy

Mpianadahy maty ray aman-dreny Nandeha dia an-tongotra Maevatanana - Ambatolampy

Sample post image

Mpianadahy kely zakan’olona mpivady nandeha nila ravinahitra tany amin’iny distrikan’i Maevatanana iny no nahavita nandeha dia an-tongotra niala tany an-toerana hamonjy ny tanindrazany any Ambatolampy

03-août-2021

 rehefa maty ireo nahitany masoandro. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nihotsahan’ny tany teo am-pangadiana vato ary maty ireto farany ka tonga naka azy mianadahy kely tany an-toerana ny Raibeny. Hody any Ambositra no anton-dian’izy ireo. Tody tao Ambatolampy izy 3 mianaka omaly ary mbola mikasa hanohy ny diany hianatsimo hatrany.Na izany aza efa lany vatsy tanteraka izy 3 mianaka ireto. Lehilahy iray tsara sitrapo no tonga nanome izay voatsirambin’ny tanany ho azy ireo ankoatra ireo tsara sitrapo hafa ka niantoka taksibrosy sy saran-dalana ho azy ireo. Omaly hariva tamin’ny 8 ora alina izy no niainga raha vola mitentina 122 000 Ar kosa no voangony hatramin’ny omaly 4 ora hariva.Mbola tavela any Maevatanana kosa ny vatana mangatsiakan’izy mivady nahitan’izy mianadahy kely ireto masoandro.
Pati 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap