airtel

Sosialy

22-mars-2021

Sosialy

Mpivarotra amoron-dalana 850 isa ireo nomena karatra hiditra etsy Behoririka

Raikitra ny fampidirana anaty tsena ireo mpivarotra amoron-dalana eto an-drenivohitra.

22-mars-2021

 

 

Miisa 850 no notoloran’ny kaominina Antananarivo renivohitra karatra nomerika tamin’ny sabotsy teo, hahafahany mandray ilay toerana vaovao ao amin’ny tsena natsangan’ny kaominina etsy Behoririka. Nambaran’ny Ben’ny tanàna nandritra izany fa tsy azo ekena intsony ny fivarotan’izy ireo eny amoron-dalana hahafahana miady amin’ny fitohanana sy handrindrana ny fifamoivoizana. Avela halalaka izy ireo ao anatin’ny iray volana ka ho maimaimpoana ny haban-tsena raha hiakatra kosa ny saran’izany aorian’izay. Nampahafantarina ireo mpivarotra moa nandritra izany ny fitsipika sy fandaminana ara-teknika hitantanana ity tsena vaovao ity. Tsena madio sy milamina, hanomezana asa fivelomana sy endriky ny tanana mantsy no tanjon’ny kaominina.

Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap