airtel

Sosialy

17-nov-2021

Sosialy

Mponina eny amin’ny faritra avo Tsy tokony hiandry ny miaramila hanala azy vao hiala

Sample post image

Tsy tokony hiandry ny miaramila hanala azy ireo olona monina eny amin’ny faritra avo vao handao ny toeram-ponenany hoy ny jeneraly Elack Olivier, tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary omaly.

17-nov-2021

 Efa nisy mantsy raha araka ny fanazavany ny fepetra noraisin’izy ireo toy ny fametrahana bandy miloko mena amin’ireo faritra tena ahitana toy ny eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, ambonin’Ankatso ary ny eny Andrefanambohijanahary. Diso fantatr’ireo mponina loatra hoy izy omaly fa namoizana ain’olona maro teny amin’ireo faritra ireo 3 taona lasa izay. Ankehitriny efa manomboka mirotsaka indray ny orana hoy izy ka samy tokony ho tonga saina ny rehetra. Nomarihiny manokana moa fa tsy azo hatao intsony ny mikasika na manapoaka ireo vatobe eny an-toerana raha araka ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahaizana hisorohana ny loza hafa mety hitranga indray.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap