airtel

Sosialy

28-févr-2022

Sosialy

Raharaha Kraomita Malagasy “Ao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany no olana”

Sample post image

Nahitsin’ny Randrana sendikaly ny sabotsy teo fa ao amin’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany fa tsy angovo no olana mikasika ny raharaha kraomita Malagasy.

28-févr-2022

 Ny talen’ny kabinetran’ny minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, no tsy nety nandray ny Randrana sendikaly sy ireo mpiasan’ny Kraomita Malagasy ny zoma teo satria hoe tsy manam-potoana. Tsy azo heverina ho tompon’andraikitra ary mila handraisana fepetra raha ny olona heverina ho tompon’andraikitra toy izany, hoy izy, no milaza fa tsy maika ny raharaha Kraomita Malagasy. Mbola nanamafy moa ny tenany fa tsy maintsy hihaona amin’ny praiminisitra izay nampisahanina vonjimaika ity departemanta ity hahitana izay ho fanapahan-keviny mialohan’ny hanohizana na tsia ny tolon’izy ireo indray. Ankoatran’izay moa, ho fanamarihin’izy ireo ny andron’ny vehivavy dia hisy ny hetsika “Iray volan’ny tanora sendikaly” izay hanasan’izy ireo ny tanora rehetra handray ny andraikiny amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina sy ho fanentanana ny rehetra hanao vakisiny mba hahafahana manao ny fiaingana ara-toekarena araka ny tokony ho izy, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Ry zareo ao amin’ny Randrana sendikaly
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap