airtel

Sosialy

10-nov-2021

Sosialy

Roland Ratsiraka “Hanohitra hatramin’ny farany io Pipeline io aho”

Sample post image

Niezaka nanazava omaly ny avy ao amin’ny orinasa HITA (Huilerie Industrielle de Tamatave), fa miainga eo amin’ny Seranan-tsambo ka hatreny amin’ny « raffinerie » eny Ampilaolava ny fantsona lehibe na « pipeline »

10-nov-2021

 mpitondra menaka. Nambara fa fantsona mafy tsara, hiaka farany ka tsy misy atahorana, mirefy 9 km io, milevina 1,50 metatra ambanin’ny tany ary tsy mbola nisy nampiasa taty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina, hoy ny mpitantana ny orinasa HITA, izay nanipika fa tsy misy atahorana hanimba ny tontolo iainana velively izy io. Namamafy kosa ny solombavambahoakan’i Toamasina, Roland Ratsiraka fa tsy fanatsarana ny tanànan’i Toamasina velively kay ny antony nametrahana ny tetikasa Miami fa fiarovana ny orinasa HITA mba hahafahan’ity orinasa mpamokatra menaka ity mametraka ilay fantsona mamakivaky ny torapasiky ny moron-dranomasina ao Tahiti kely,orinasa akaikin’ny fitondrana io, hoy izy ka manao izay tiany. Tsy hihemotra amin’ny fanoherana io tetikasa fametrahana « pipeline » io mihitsy aho fa hijoro hatramin’ny farany, hoy Roland Ratsiraka, naneho fa aoka izay ny fanitsakitsahana ny vahoaka Malagasy sy ny vahoakan’i Toamasina. « Mamonjy COP 26 resaka fiarovana tontolo iainana ianao, izao lavahana indray ny morontsirak’i Toamasina fa hoe asiana « pipeline », hoy izy niantefa tamin’ny Filoha Rajoelina, dia rehefa tonga ny rivodoza ahita loza eto fa ho feno menaka ny ranomasina. Atsaharo ny ampihimamba ara-toekarena, tsy ekena vahoaka Malagasy mividy menaka lafo satria orinasa iray no manao izay tiany. Misy ozinina iray any Mahajanga , misy ihany koa ao Toamasina samy mpanao menaka ireo, ka avelao hisokatra ny ozinina sasany, hoy izy. Notsipihin-dRoland Ratsiraka hatrany fa tsy nahazo alalana avy amin’ny ministeran’ ny tontolo iainana ny fametrahana io « pipeline » io. Efa nisy ihany koa ny didy navoakan’ny ben’ny tanànan’i Toamasina hampitsaharana ny fametrahana ilay « pipeline » hoy hatrany i Roland Ratsiraka. Mifanenjana aloha izany ity depiote ity sy ny orinasa HITA, ary tsy vao izao izy no niresaka sy nanakiana an’io orinasa io ho manimba ny tontolo iainana, saingy mandeha ny resaka fa ny Mpitondra Fanjakana no ao an-damosin’ny ankilany. Hanao ahoana ny tohiny ?
RTT
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap