airtel

Sosialy

17-déc-2021

Sosialy

Sendika eto Madagasikara Efa maherin’ny 400 isa

Sample post image

Tafapetraka ny drafim-pitantanana iatrehan’ny Randrana sendikaly ny 3 taona, izany hoe 2022-2025. Hametrahana ihany koa izany ny rafitra iatrehana ireo tolona sendikaly marobe satria hafanafana ny tontolon’ny asa eto

17-déc-2021

 Madagasikara amin’io taona 2022 io, hoy izy ireo. Eo ny resaka volan’ny CNAPS, ny lalana mifehy ny asa, ny lalana mifehy ny fitrandrahana, ireo fifanarahana iraisampirenena rehetra. Ankoatran’izay moa izany ireo olan’ny mpiasa iainany isan’andro eny amin’ny toeram-piasany eny. Napetraka ny drafitra sy ny rafitra miisa 3 mazava ao anatiny ao dia ny mpamolavola sady mpanapa-kevitra, mpamolavola sady mpanolo-kevitra, mpanatanteraka sy mpanolo-kevitra. Ny fiatombohan’io taona 2022 io no hanolorana ireo olona handrafitra izany. Mametraka drafitra enti-miady hatrany ihany koa izahay isan-taona ary manentana ireo mpiasa mba hiditra sendika tsy amin-tahotra amin’izay satria efa miisa 400 mahery ny sendika eto Madagasikara ka misy isafidianana tsara, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap