airtel

Sosialy

15-sept-2021

Sosialy

Sendikan’ny Polisy nasionaly Misy tsy ara-dalàna ny famindran-toerana ny polisy sasany

Sample post image

Mahazo vahana ny famindran-toerana ireo polisy eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritra amin’izao. Misy tsy ara-dalàna anefa ny fanatanterahana izany hoy Randriamiarana Alphonse,

15-sept-2021

 sekretera jeneralin’ny sendikan’ny polisy nasionaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Analakely ny tenany omaly, notronin’ireo mpikambana marobe. Nambarany tamin’izany tsy manaraka ny didim-pitondrana laharana 2004-841 tamin’ny 31 Aogositra 2004 mihitsy ny zavatra hataon’ny ministera. Rehefa mandefa polisy iray hiasa sy hifindra toerana amina faritra iray mantsy hoy izy dia tokony amin’ny fotoana tsy hianaran’ny mpianatra no hanaovana izany.Tokony hiantohan’ny ministera ihany koa hoy izy ny fitanterana ny entan’ilay polisy, ny trano hivantanan’ilay fianakaviana any amin’ny toerana hamindrana azy satria mbola vao hitady trano izy ireo… Tokony hisy ihany koa hoy izy ilay tambin-karama mikasika ny halaviran-toerana izay samy tsy misy hataon’ny ministera. Misy amin’ireo polisy hafindra toerana araka izany no voatery mivaro-pananana mihitsy hahafahany mifindra na dia vao nakany vola tany amin’ny banky aza ny vola nividianana ilay entana. Nametraka fitoriana eny anivon’ny filan-kevi-panjakana moa ity sendika ity mikasika io zava-miseho eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka io. Ankoatra izay dia hangatahin’izy ireo ihany koa ny hampiaharan’ny ministra ilay didim-pitsarana tokony hositrahin’ireo polisy manerana ny Nosy efa ho 18 taona izao. Ambany lalana avokoa hoy izy ireo ny rehetra eny fa dia ny ministra ankehitriny misahana ny polisim-pirenena io aza.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap