airtel

Sosialy

26-mars-2024

Shyn, Ambasadaoron’ny banky NIM

«Manan-jo hanana toerana ara-tsosialy ambony ny malagasy rehetra»

Sample post image

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

26-mars-2024

etsy Andavamamba ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ity banky ambara hatrany fa 100% malagasy ity sy ny mpanakanto Shyn. Efa hatramin’ny nisokafan’ity banky ity ny taona 2022 ity mpanakanto ity, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’izy ireo, Harizaka Rakoto, no teo anivon’ity banky ity ary teo foana fa izao vao ho hamafisina amin’ny fomba ofisialy ny maha ambasadaoron’izao banky izao azy. Handray anjara amin’ny fampiroboroboana renivola sosialy koa, araka izany, ity mpanakanto ity. Niresaka tamin’ireo isan’ny mpiara-miombon’antoka eto anivon’ny banky aho, hoy i Shyn, hoe inona no azo atao handraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ity banky ity afaka manampy ny tantsaha, hoy izy. Manan-jo hanana toerana ara-tsosialy ambony ny malagasy rehetra, hoy ihany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap