Efa tonga ny siramamy avy any Namakia, ary halefan'ny SPM (State Procurement of Madagascar) avy hatrany any amin’ny mpaninjara na “détaillants”, hoy ny fanazavana. Tsiahivina fa 2750Ar isaky ny kilao no hanjifan'ny mponina eny amin'ny mpaninjara an'ity siramamy Namakia ity. Efa ho avy ihany koa, hoy ny Minisitra, ny siramamy Ambilobe hiarahan'ny MICC miasa amin'ny SPM hanamaivana sy hanomezana lanja ny vokatra avy eto an-toerana. Efa hita koa fa manomboka miakatra ny voka-bary eto amintsika ka hoesorina tsikelikely ny Vary Tsinjo. Nohamafisiny fa amin'ity taona ity dia hisokatra ary hamokatra avokoa ireo ozinina mpamokatra siramamy toy ny any Brickaville, Antanimifafy ary Mahatalaky. Raha ny zava-misy eran-tany eo amin’ny filàna andavanandro ho an'ny mponina, saika niteraka fahasahiranana lalina sy nihoampampana teto amintsika izany raha tsy nandray fepetra namerana ny vidiny farany ambony amin’ny entana ilaina andavanandro na PPN ny fitondram-panjakana, hoy ny fanazavana. Nambara fa nananontanona antsika ny krizy teo amin’ny menaka, lafarinina, savony, siramamy,… raha tsy natao io « plafonnement » io.
Toky R
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.