airtel

Sosialy

28-févr-2022

Sosialy

Tahiana Razanamahefa “Mbola maro ny velarantany azontsika hambolena vary”

Sample post image

Manaparitaka ny atao hoe ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny voly vary safiotra izahay aty amin’ny sehatra tsy miankina amin’izao fotoana izao,

28-févr-2022

hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa misehatra amin’ny fambolena, STOI, Tahiana Razanamahefa. Misy, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ny Dorkasy foibe FJKM ho fampianarana izany voly vary safiotra izany satria io no isan’ny vahaolana iray hahavitantsika izany fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Tantsaha ny 80%n’ny Malagasy. Maro ny velarantany azontsika Malagasy hambolena vary eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Miditra indrindra isika anatin’izany fampandrosoana ifotony izany. Fampandrosoana izay iarahana amin’ny vehivavy rehetra. Isan’izany ny sampana Dorkasy. Ny fampianarana azy ireo, ny fanapariahana ihany koa ny voly vary safiotra manerana ny faritra izany satria fantatsika fa ny fikambanana Dorkasy manerana ny sahan’ny FJKM dia tafiditra amin’ny faritra miisa 23 eto Madagasikara ary tena vehivavy mavitrika sy mahavita tena izy ireo. Maninona isika raha miara-miasa hampivelatra an’izay sy hahafahantsika koa mampiroborobo ny fambolena sy ny asa ho an’ny vehivavy? “Reny” no fototeny ao anatin’ny hoe firenena. Hita araka izany fa tena mandray anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ny vehivavy, ny reny. Santatra am-bavarano ny atrikasa amin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy ny 7, 8, 9 martsa eny amin’ny FJKM Ivato Fitraofana fa tsy maintsy misy ny fidinana ifotony ho fanatanterahana izany sy ho fanaraha-maso koa, hoy hatrany ny tenany. Manana tekinisianina maro afaka hanao izany rahateo ny aty amin’ny sehatra tsy miankina, hoy izy, ary faritra miisa 12 hatreto no efa misitraka izay voly vary safiotra izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap