airtel

Sosialy

08-mars-2021

Sosialy

“Tarif Optima” ahazoana 95 miliara ariary Manery mafy ny Jirama ny Banky Iraisam-pirenena

Sample post image

Nitohy ny fanambaran’ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny alalan-dRtoa Idah Z. Pswarayi-Riddihough,

08-mars-2021

 

 

misahana an’i Madagasikara, Maorisy Kaomoro, Mozambika. Ahafahana mampiakatra 95 miliara Ar isan-taona ny vola miditra amin’ny jirama ny « Tarif Optima », hoy io Tompon’andraikitry ny Banky iraisam-pirenena io. Mizara 4 moa ny « tarif » ao anatin’ny Optima, dia ny « Tarif Social” izay 130Ar/Kwh ny Tranche 1 latsaky ny 50Kwh, ary 764Ar Kosa ny mihoatra, ary 1000Ar ny redevanche; ny “Tarif économique” izay misy ny “Prime fixe” 3018Ar/Kwr, tranche 1 latsaky ny 130Kwh 340Ar/Kwh, ary ny Tranche 2 izay 764/Kwh rehefa mihoatra ny 130 ny fandaniana, redevanche 8000Ar ; ny « Tarif confort » misy ny Prime Fixe 3140Ar/Kwh, tranche 1 latsaky ny 300kwh 370Ar,… ; ny « Tarif confort » misy prime fixe 6141Ar/Kwh Tranche 1 latsaky ny 300kwh 390Ar/kwh sy Tranche 2 izay 764Ar/Kwh rehefa mihoatra ny 300. Ny 77% amin’ny mpanjifa izay ao anatin’ny sokajim-piarahamonina antonony sy sahirana dia hisy fidinany ny saran’ny herinaratra. Ny tokantrano sahirana no mitana ny 1/3 amin’ny mpanjifan’ny Jirama, ary tena hisy fidinany azo tsapain-tànana hatrany amin’ny -80%, rehefa mihatra io, araka ny fanazavana. Ireo 18% amin’ny mpanjifa kosa no hisy fiakarany. Ny 7% amin’ny mpanjifa no hatrany amin’ny 25%, kanefa 1% amin’ny vahoaka Malagasy ireo. Noho ny fandaniana be amin’io sokajy io no anton’ny fisondrotana. Nanamafy ny fisiana fahaverezam-bola 3700 miliara nanomboka ny 2009 ny Banky iraisam-pirenena, ary nilaza fa ny taona 2020 dia 800 miliara ariary no natontona tao amin’ny Jirama. Mahery noho ny vola natontona ho amin’ny sehatry ny fahasalamana io, raha ny fanamarihana. Avo 15 heny amin’ny sora-bola nalefa any amin’ny Minisiteran’ny mponina izay tsy azo ekena. Mitaky hatrany ny fampiharana io “Tarif optima” io, izay nibedesan’ny Filoham-pirenena Rajoelina ny Jirama io ny Banky Iraisam-pirenena. Ny tsy fampiharana izany, dia mety hahatapaka ny famatsiam-bola.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap