airtel

Sosialy

21-janv-2022

Sosialy

Traboina mivangongo loatra Zaza iray maty tao amin’ny Gymnase Mahamasina

Sample post image

Zazakely iray volana sy tapany no namoy ny ainy vokatry ny tsy fahampian-drivotra sy hamandoana teny amin’ny Gymnase Mahamasina ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 10 ora.

21-janv-2022

 “Rehefa tratry ny rano izahay, dia nitsikafona be ny rano, efa nentina tamin’ny rano ilay zaza. Lasa izahay nankaty natory taty, taty rano be tao ambanin’ilay lamba, nanomboka nantsiaka sy nikohaka be ilay zaza, nampinonoan’ny reniny dia tsy ninono intsony, ary nentina tany amin’ny Hopitaly”, hoy ny renibeny tao amina fampahalalam-baovao iray. Voalaza fa misy olona mangarom-bava, ka zazakely iray ihany koa no voalaza fa nifanintona tao Mahamasina. Nilaza ireo traboina fa tsy zaka ny fofona, ary tsizarizary ihany koa na ny sakafo na ny torimaso,... “…Tonga teny ny minisitry ny mponina sy ny talen'ny kabinetrany nanatitra vilany be 15 isa teo fa tsy nahasahy niditra tao anatiny tao... Fantatr'izy ireo tsara angamba ny loza mety hitsena azy ao... Dia teny ivelany fotsiny ry zareo eee!!! Tsy hitany mivantana akory ny manjo ireo olona ao... Tsapan'izy ireo angamba fa tena loza no miandry azy ao anatiny ao e? Dia nihainohaino tety ivelany fotsiny... Eto izany tsisy vaovao lainga na hoe faly hisintona lakolosy fotsiny fa matoa izahay miteny sy miantsoantso eto dia misy miantso sy manome vaovao ary manamarina...”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety iray tao amin’ny tambajotran-tserasera. Maharatra 3076 ireo traboina ao amin'io Gymnase Mahamasina ny alin’ny alarobia, ary voalaza fa tafiakatra 4200 ireo omaly maraina. Ilàna fiheverana mazava ho azy ny resaka fanatobiana ireo traboina mba tsy ho lasa vahaolana miteraka olana. Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny valanaretina rahateo isika ary ahiana ny hifanapariahana sy hifamindrana valanaretina ao anatin’ny fivangongoana. Manana ny fahefana feno haka fanapahan-kevitra na “réquisition” ny hampiasana ireo tranom-panjakana samihafa handraisana ireo traboina rahateo ny Fanjakana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap