airtel

Sosialy

18-oct-2021

Sosialy

Tsena vaovao Behoririka Nisy mpivarotra nesorina tamin’ny toerany

Sample post image

Manomboka misy zavatra tsy milamina sahady eo anivon’ny tsena vaovao Behoririka, kaominina Antananarivo renivohitra.

18-oct-2021

Mpivarotra manodidina ny 3 na 4 teo mantsy no voalaza fa nesorina taminy ny karatra maha-mpivarotra azy tamin’ny Sabotsy teo. Ny mpitantana ny tsena KAR- Kaomina Antananarivo Renivohitra sy ny " SMGD" no voalaza fa nanao izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy nandray ny toerana efa nomena azy ireto olona ireto fa mbola nivarotra teny amoron-dalana ihany. Sorena araka izany ny kaominina Antananarivo renivohitra. Ireo mpivarotra eny ivelany koa eo an-daniny mbola marobe no tsy manana toerana, antony nanalana ireo efa nahazo karatra tsy te hanaraka fitsipi-pifehezana hiverina any amin’izay toerana mahamety azy. Efa nampitandremana hatrany moa ireto mpivarotra ireto saingy tsy nivaky loha, antony nampiharana taminy avy hatrany ny fepetra. Na izany aza dia fantatra fa tsy mahalafo mihitsy ireo mpivarotra ao amin’ity tsena vaovao Behoririka ity. Hifandrombahana izay mpividy miditra ao an-toerana no sady tambatambazana hahafahana mitondra vola mody.
Nangonin’i Pa
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap