airtel

Sosialy

14-janv-2021

Sosialy

Tsisy rano hosotroina Nigrevy ny olona teny Ankatso

Sample post image

Mampikolay ny tsy fahampian’ny rano eto Antananarivo sy manodidina. Ahitana

14-janv-2021

 

 

 

 

izany avokoa ny boriborintany 6 ho an’ny eto an-dRenivohitra. Nihetsika mihitsy ny mponina teny Ankatso omaly, naneho ny tsy fahafaliany sy nanao fanairana, ka nandrehitra afo sy nanakan-dàlana. Ny eny amin’iny Ambohimirary iny manambana hihetsika. Efa andro maro ny fitarainana teny amin’ny manodidina, toa an’Ampasapito, Ampandrianomby, Andraisoro, hatrany Ambatomaro,… Tena ory rano ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina, ary ny reniranon’Ikopa aza efa miha ritra tanteraka, miseho ny vato,… Eo ny ambara fa fahanteran’ny fantsona sy ny tambajotra fa ny tena zava-misy, dia tsy mahasehaka ny filàn’Antananarivo intsony ny famokarana, ampian’ny toetr’andro maina dia mitambatra ny fahavoazana. Ny famotehana tontolo iainana rahateo tsy afaka amintsika Malagasy, ka dia izao no vokany.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap