airtel

Sosialy

21-déc-2021

Sosialy

Vahaolana anio sy rahampitso “Vahao faran’izay haingana io olan’ny rano io”

Sample post image

Ny volana desambra tahaka izao, ho an’ny mpikarakara lanonana sy mpanakanto, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso,

21-déc-2021

 no tena mba honovozana kely fotoana fitadiavam-bola. Isika anefa izao, hoy ny filohan’izy ireo, Jerry Rakotoarijaona, tafalatsaka anaty valanaretina indray dia misy ilay fepetra raisina hoe “fahamailoana ara-pahasalamana”. Antsoina ny vahoaka mba ho tony tsara ao anatin’ny fiatrehana ity valanaretina ity satria raha saina mikorontana koa no entina miatrika azy dia sarotra ihany. Tsy dia hitovy tamin’ny vanim-potoana niatrehana izao aretina izao voalohany ny fiatrehana azy amin’izao satria tamin’ireny mbola tsy nisy na fanafody na inona izao manana fitsaboana azo isafidianana toy ny CVO, CVO+, vakisiny sy ny hafa rehetra. Tokony arahana na izany na tsy izany ny fepetra rehetra mahakasika ny fitandremana ara-pahasalamana, ny elanelana 1 metatra, ny fampiasana arovava orona, fanasana tanana matetika ary hamafisina hoe aleo ho tony aloha ny olon-drehetra. Aoka aloha ny adilahy politika, ho an’ny mpanao politika! Antsoina koa ny fitondram-panjakana hanao ny andraikiny. Io resaka rano io vahao faran’izay haingana io fa tsy hisy fitoniana koa raha tsy misy ny rano nefa mila manasa tanana matetika. Ny jiro ho tapaka nefa anaty fety. Miantso ny JIRAMA sy ny minisitera tomponandraikitra amin’izany hitady vahaolana haingana sy maharitra. Eo koa ny fiakaran’ny vidin-javatra, entanina handray ny andraikiny, ny minisitra voakasik’izany. Raha mba azo atao tompoko, tsipy teny ny an’ny VAR, hoe tsy soatoavintsika Malagasy ilay manisa maty, hoy hatrany ny VAR.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny VAR
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap