airtel

Sosialy

22-juil-2025

VAKANSY AO MAHAJANGA

Manomboka miasa indray ireo karazana mpisoloky Manomboka

Sample post image

miasa indray ireo karazana mpisoloky amin’izao ivon’ny vakansy

22-juil-2025

lehibe izao ao Mahajanga ao. Samy manana ny paikadiny izy ireo amin’ny ankapobeny. Ny sasany milaza mahita trano mora sy mahafinaritra ka mahavita mandefa sary tsara tarehy ao anaty tambajotran-tserasera Facebook mihitsy mba hisarihana ireo mpiala sasatra. Lazainy fa amin’ny sarany 60.000 Ar monja isan’andro no hofan’izany trano izany misy dobo filomanosana, wifi ary vata fahitalavitra mety ho an’olona 5 na 6 mianaka. Rehefa tena roboka anefa ireo mpiala sasatra dia hakany avance amin’ny alalan’ny MVOLA mba hamandrihana ilay trano, hono,. Rehefa tonga ao Mahajanga amin’izay anefa iretsy voalohany dia manjavona tsy hita intsony intsony ireo mpisoloky no sady tsy mandeha ihany koa ilay laharam-pinday nandefasana vola. Misy ihany koa ireo milaza fa manana fiara azo hofaina ary maka avance tahaka izany saingy rehefa tonga ny fotoana hiaingana dia manjavona tsy re intsony. Tsiahivina moa fa mpiala sasatra maro koa no efa lasibatr’izany asa fisolokiana izany tamin’ny taon-dasa ka tokony samy ho mailo ny rehetra. Tsy misy tsara ohatra ny fikarakarana hataon’ny tena manokana ihany ary miantehitra amin’ny hotely tena izy fa tsy ny kisarisary sy dokadoka alefan’ny sasany fotsiny.
Pati
Legende : Mahafinaritra hatrany ny manao vakansy tahaka izao raha misy ny vola !
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

hampiakarana 300 000Ar ny karama farany ambany

Card image cap