airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Varotra hani-masaka Mihena be ny mpividy, masiso am-pitoerana ny entana

Sample post image

Maina ny tsenan’ny varotra hani-masaka amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao. Raha nahalany vary 10 kapoaka isan’andro ny mpivarotra iray teo aloha dia tsy misy afa-tsy 5 kapoaka sisa izany ankehitriny.

05-nov-2021

 Nahena mifanaraka amin’izay ihany koa ny laoka miaraka aminy hisorohana ny fatiantoka, hoy hatrany ireo mpivarotra. Noho ny tsy fananan’ny olona vola no antony mahatonga izany. Niakatra ihany koa mantsy ny vidin’ny sakafo noho ny fiakaran’ny vidim-bary sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Raha 1000 Ar ohatra dia efa mihinana vary maina iray lovia teo aloha dia niakatra ho 1500 Ar izany raha tsy ferana intsony ireo manao 2000 Ar no miakatra. Aleon’izy ireny miaina amin’ny fihinanana lasopy 300 Ar sy compose 500 Ar miaraka amin’ny ron-dasopy hoy ny mpivarotra iray fa nilaozany mihitsy ny fihinanam-bary. Efa ho roa volana moa izao no tena nampamaina ny tsenan’ny hani-masaka teto amintsika raha mifanohitra amin’izay kosa ny tsenan’ny ranom-boankazo izay tsy maharaka mihitsy noho ny fiakaran’ny hafanana, indrindra fa amin’ny atoandro.
Pati

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap