airtel

Sosialy

26-mars-2024

VIDIM-BARY AO ANKAZOBE

Midangana nefa miaka-bokatra

Sample post image

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

26-mars-2024

Tafakatra 1.100 Ar ny iray kapoaka amin’ny riz de lux, 900 Ar ny stock, 900 Ar ny semence, 950 Ar avy ny kapoakan’ny dista sy ny vary gasy bota raha 850 Ar ny vary gasy tsotra. Raha araka ny vaovao azo anefa dia tena miaka-bokatra Ankazobe ankehitriny. Nahavita 7 taona isaky ny ha ny tantsaha mpamokatra iray. Somary mahavariana ihany araka izany ity fidangan’ny vidim-bary any an-toerana ity. Ireo tsy namboly moa amin’ny ankapobeny no tena lasibatra ka velon-taraina fatratra. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia mihena ny vary lafon’ireo mpivarotra any an-toerana vokatr’izany. Raha mbola nahavidy 10 kapoaka isan’andro ny fianakaviana iray teo aloha dia lasa 5 kapoaka sisa ankehitriny ka fenoina amin’ny hanin-kotrana toy ny vomanga sy mangahazo sisa izany.
Pati
Legende : Toy ny toerana tsy misy vary miakatra ihany ny vidim-bary ao Ankazobe !
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap