airtel

Sosialy

12-janv-2021

Sosialy

Vidim-bary mampikolay Efa tafiakatra 800Ar ny kapoaka

Sample post image

Tafiakatra hatrany amin’ny 800Ar ny kapoakan’ny vary mba tsaratsara kalitao amin’izao fotoananizao,

12-janv-2021

 

 

 

 

iray volana mahery taorian’ny 04 desambra nilazan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa midina 550Ar ny kilaon’ny vary manomboka ny sabotsy 05 desambra. Tsy nisy nanaraka tamin’ny ankampobeny, ka niova ny serasera navoakan’ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, fa ny vary nafarana 25% de brisure no 550Ar ny kapoaka, ary ny fisian’io no hitarika fidinana tsikelikely ho an’ireo 700Ar. Nilaza ny hamoaka “vary tsinjo” ihany koa ny Orinasam-panjakana SPM ny 9 desambra ka ho 530Ar ny kapoaka, ary hiparitaka manomboka ny 11 desambra. Taty aoriana dia nolazaina fa vary 32 000 taonina no nafarana. Hatreto, tsy misy fiantraikany firy amin’ny vidim-bary eny an-tsena ny fampanantenana natao. Asa miandry propagandy sa miandry kely ary hoentina manao vono afo ara-politika sy hakana fom-bahoaka? Tsy ny vary ihany fa ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny. Ny hen’omby amin’izao fotoana izao ny fakanay, misy efa tafiakatra 12 000Ar/kg no hakana azy eny amin’ny toeram-pamonoana omby etsy Ankadindratombo ny hena azo lazaina fa tsara tsy dia misy taolana, ary ny hen’omby maty an-tatatra aza misy 11 800Ar ny kilao, hoy ny mpivaro-kena iray eny amin’ny boriborintany fahadimy, izay nisafidy ny tsy hivarotra hen’omby sy hanao saosisy vita amin’ny hen’omby noho ny mason-karena. Ampahany ihany izany, fa ny azo hamintinana azy, dia midangana tanteraka tsy ahitam-bahaolana ny vidim-piainana.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Azo lazaina ho hazo fijaliana ho an’Antananarivo mihitsy ankehitriny ity tohamboivoy tsy mety ahitam-bahaolana ity.

Card image cap
26-avril-2024

Lasa atahoranabe ireo vary mitoby na vao tonga any amin’ny seranan-tsambo eto amintsika amin’izao.

Card image cap
25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap